<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Iza re ireto avy FFPM698</title>
<lyrics>[V1]
 Iza re ireto avy,
 Voatafy lamba soa,
 Samy voasatroka avy
 Satro-bolamena koa ?
 Avy taiza izy ireo,
 Ka ho aiza izy ireo ?

[V2]
 Izy ireo dia voavonjy,
 Voavela heloka ;
 Samy nino an'i Kristy
 Fony mbola velona ;
 Be ny ratsy nentiny,
 Fa izao dia sambatra.

[V3]
 Maro be ny fahavalo
 Niadiany tatý,
 Fa tsy mba misy izany
 intsony ;
 Afaka ny sarotra,
 Afa-pahoriana,
 He, ny hafaliany !

[V4]
 Miramirana tarehy,
 Indreo, avy izy ireo
 Mba hihoby an'i Kristy,
 Tompo sy Mpanjaka koa,
 Fa nahazo zava-tsoa,
 Ka dia tretrika tokoa.</lyrics>
<hymn_number>698</hymn_number>
<author>Darmstadt</author>
</song>